Ny mitazana an’izao
tontolo izao no ahatsapana
ny fahasamihafany
RAKITADIDIN’ NY RANOMASIMBE INDIANINA
Mihahaka, marefo, tsy misy mahafantatra, ny rakitadidin-tsarin’ny Ranomasimbe Indianina dia manambara ny Tantara. Eo amin’ny sampanana ihaonan’ireny lalana sy ny firenena ireny, dia misy sary natao tanana, lokorano, hosodoko, sary sokitra, pikantsary maneho toy ny an-tsehatra ny hahamaroan’ny fijery ny olombelona sy ireo kolontsainy. Satria voaaron’ny fianakaviana, ny mpanangona, ny orinasa, ny fikambanana mbamin’ny tsangan-drafitra ny fanehoana an-tsary, dia manome loharanon-tantara tsy ho azo soloina, rehefa tojo toejavatra maha moana ny soratra sy maha very ny fahatsiarovana.
MANOME LANJA,
MANAMBATRA, MANOLOTRA
Miaraka amin’ny Tranofiraketantsary, tianay ny :
Manome lanja maharitra ny tahirintsarin’ny Ranomasimbe Indianina
Manolotra amin’ny rehetra ireo fitaovana fanovozam-pahalalana, fandalinana ary famoronana
Manavao ny fifandraisana amin’ny fikarohana, amin’ny zavakanto sy amin’ny kolontsaina, ary manome tombony ny lalantsaina siantifika takiana amin’izany.
Manafoana ny elanelan-tany ary manamora araka izay azo atao ny fahazoana tsara ny torohay
Mampiroborobo tambazotra mivelatra amin’ny fifanakalozana
Mamondrona anaty tokontanimbe iray tsimialonjafy ny mpifarimbona an’ny fanjakana sy an’ny sehatra miahy-tena, frantsay sy vahiny.
MIARA-MANORINA
Amin’ny maha mpikajy ekena azy ny lovantsaina miompana amin’ny sary, izay mahatratra hatramin’ny an’arivony tsifolofolo maro, ireo tsangan-drafitra miahy ny kolontsaina ao amin’ny Departemantan’i La Réunion dia mampijoro sahanasa nomerika hanana ny maha izy azy rahatrizay, miaraka amin’ny Tranofiraketantsary momba ny tantaran’ny Ranomasimbe Indianina.
Ny fiaraha-manorina ny Tranofiraketantsary, miaraka amin’ireo izay manana fironana hanalehibe azy, dia ho fametrahana ny fitambaran’ny anjaran’ny Ranomasimbe Indianina ao amin’ny hetsika maneran-tany hampitombo harena ny fahalalana.