
Mozean’ ny tantara Villèle
Niforona tamin’ny taona 1974 ny Mozea momba ny tantara, antsoina amin’ny fomba mahazatra hoe Mozean’i Villèle, miorina eo amina saha midadasika efa tamin’ny andron’ny fanjanahantany, ery amin’ny havoanan’i Saint Paul. Ny trano lehibe dia naorina nanomboka tamin’ny taona 1775 ka hatramin’ny 1788, araky ny finiavan’i Henri–Paulin Panon-Desbassayns (1732-1800) sy ny vadiny Marie–Anne Thérèse Hombeline, teraka Gonneau-Montbrun (1755-1846). Ireo no tompony, teratany kreôlina mpanam-be.
Ny mozea dia mampiseho fitambarana fonenambe zary harem-pirenena. Izy io dia mampahatsiahy ny firirian’ny fianakaviana voanjo taloha nanamarika ny tantaran’i La Réunion tamin’ny taonjato faha 18 sy faha 19, vanimpotoana izay niroboroboan’ny voly hasy, kafe ary indrindra ny fary.
Olona fanta-daza, tsy dia nisy nankasitraka loatra i Ramatoa Desbassayns, izay nitantana tamin’ny fomba hentitra izany fananana izany. Fanandevozana no nentiny namokatra, mampiasa teratanin’i Afrika, i Madagasikara, i Inde, na kreôlina ihany koa. Mihoatra ny 740 ny andevo niasa tao amin’izany saha midadasika izany, nandritry ny tapany voalohan’ny taonjato faha 19. Nanomboka teo amin’ny tapany faharoan’io taonjato io ka hatramin’ny 1974, dia notantanan’ny sampan’ny fianakaviana terak’i Gertrude (1787-1848) ny toerana.
Mandrak’androany, mbola mihelohelo hatrany ny fahatsiarovana an-dRamatoa Desbassayns izay nanjaka tokoa teo amin’ny fananany nandritra ny taona marobe. Ny Mozean’i Villèle, dia mitaratra ny fiainan’ireo taranaka mpamboly nifandimby tao, ary mampiseho ny tantaran’ny fiarahamonina kreôlina teto La Réunion.
Ny Trano
Ao amin’ny trano izay nipetrahan’ireo tompo taloha, trano izay maka endrika lapa any Pondichéry, dia afaka misafidy amina lalana roa ny mpitsidika. Ny ambany rihana dia mizarazara ho efitra fito ary mbola mampiseho ny toerana niainan’ny fianakaviana tao araka izay mety ho fisehony tany am-boalohany, na dia teo aza ireo asa fanovàna isan-karazany natao nandritry ny tantaran’io fonenana io. Ny fanaka rehetra izay lovam-pianakaviana dia aseho ao amin’ireo toerana nisy azy tany am-piandohana. Misy fanaka hafa koa na taokanto fanao haingon-trano novidiana taty aorina mameno an’ireo, – toy ny angona tahiry mahavariana ahitana bakoly vita sinoa misy ravaka « manga sy fotsy ». Ireo zavatra rehetra ireo dia mitaratra ny hahakanton’ny fiaimpiainana kreôlina.
Ny rihana ambony amin’ny mozea dia ampiasaina amin’ny fanaovana fampirantiana tsy maharitra, izay novolavolaina, andaniny, mba hifandray amin’ireo lohahevitra momba ny tantaran’ny trano fonenana Desbassayns, sy momba ny tantaran’ny fiarahamonina taloha mivelona amin’ny fambolena teto La Réunion amin’ny ankapobeny. Ankilany, misy koa ny fampirantiana ireo angona tahiry izay manazava ny tombokavatsa teo amin’ny lafiny kolontsaina (influences culturelles) izay nandrafitra ny maha kreôlina.
Ny Mozean’i Villèle koa dia manome sehatra malalaka ho an’ny asa famoronana ny kanton’ny ankehitriny avy eto an-toerana (Georges ARMAND, William ZITTE, Antoine DU Vigneau, Claude BERLIE CAILLAT, Anne Marie VALENCIA, Gilles LE TRIONNAIRE, Nelson BOYER, Yves PUYLAURENT) sy avy amin’ireo firenena aty amin’ny faritry ny Ranomasimbe Indianina (hosodoko Tingatinga avy any Tanzanie, taokanto makondé avy any Mozambika, sary tanana mudhubani avy any Inde…). Izany no atao dia mba hampisongadinana ireo lohahevitra mahakasika ny tantara toy ny famarinana andevo, ny fomba niainana ny fanandevozana, ny engagisme, ny fomba fanarahana fivavahana, ny rohim-pifandraisana amin’ny kolontsaina niaviana…
Ilay tanàna koa dia ahitana fanorenana hafa izay vavolombelon’ny fifandaminana sôsialy teo amin’io fananambe tranainy io.
Ny Hopitalin’ny andevo
Trano tsotra dia tsotra manaraka maritrano tsy mirenty no ialokalofan’ny Hopitalin’ny andevo. Ny anaran’izy ireo, ny taonany, ny asany sy ny foko niaviany dia vita printy mazava amin’ny vato. Ireo efitra telo kely ao ambany rihana kosa dia mampiseho fampirantiana tsy maharitra. Ao ambony rihana indray dia misy tahirin-kevitra isankarazany amin’ny haino aman-jery, momba ny fanandevozana, alefa matetika.
La cuisine
Anatina fanorenana manakaiky ny tranobe onenana no ahitana ny lakozia miaraka amina fantson-tsetroka mandondona. Fitaovan-tokantrano maro no aranty ao, fanoto sy laona, “samovar”, tavy fidiovana, fitotoan- kafe, karamaokan-dakozia vita amin’ny varahina.
Ny orinasa manamboatra siramamy
Eo amin’ny faritra atsimo, tahaka ny manda fahagola, dia mbola mandondona be ireo rindrina sisa tsy rava avy amin’ilay orinasa mpanamboatra siramamy, naorina tamin’ny 1825 ary nikatona tamin’ny 1920. Novinavinaina ho orinasa môdely ho an’ny kartien’ny Saint Paul izy io tamin’ny fotoan’androny. Tany amin’ny manodidina ny taona 1990 tany, nisy vava asa fanarenana maro naroso teo an-toerana izay miendrika sahanasana harem-bakoka. Tazana tokoa avy ery amin’ny toeram-piantsonam-piarakodia ireo sisa arkeôlôjika tavela tamin’ny vanimpotoana indostrialy ireo, nefa tsy azo tsidihina raha tsy miaraka amina “médiateur”na harem-pirenena.
Ny Lasapely Marani-doha
Ny lalan’ny departemanta faha-6 no manasaraka azy amin’ny mozea; fanorenana manerinerina amin’ny tapany atsinanana izy ary mampiseho mari-trano tena miavaka tanteraka. Ny lasapely dia miendrika trano boribory voarakotra tafo mitsokitsoky, naharaikitra an’io anarana ahafantarana azy io. Ny toerana masina dia naorina nanomboka tamin’ny 1841 araka ny fanirian-dRamatoa Desbassayns, hitoriana ny Filazantsara amin’ireo andevony maro ary hahafahan’ireo mponina mpifanolo-bodirindrina eny amin’ ny havoan’ny Saint Paul ho mora mamonjy fotoam-pivavahana. Ao anatiny no misy ny fasan’ilay vehivavy tompony taloha izay voarakitra mandrakizay ho “ Mpiahy masina faharoa”(“Seconde Providence”) araka ny anarana nentiny voasoratra eo amin’ ny vato marbra. Ny sariivongana an’i Md Michel, mahavariana, vita amin’ny vy anidina maro loko, izay voakarakara manokana, dia afaka maneho isan’andro ny fisian’ny fombam-pivavahana mifangaroharo hita ao, sady katôlika no indianina, na fomba fanafina mihintsy aza.
Musée Historique de
Villèle
Domaine Panon-Desbassayns
97434 Saint-Gilles-Les-Hauts
FIFANDRAISANA
T : 02 62 55 64 10
F : 02 62 55 51 91
www.cg974.fr
ORA FISOKAFANA
9 ora sy sasany – 5 ora
sy sasany
Ny talata ka hatramin’ny alahady