
Ny Arsivan’ny Departemantan’ny
la Réunion
Ireo zara asa ankinina aminy
Ny zara asa ankinina amin’ny Arsivan’ny Departemantan’ny La Réunion dia ny manangona, mikajy, manasokajy ary manapariaka ireo arsivan’ny nosy La Réunion, araka ny lalàna tamin’ny 15 Jolay 2009 izay mamaritra ny arsiva ho « fitambarana tahirinkevitra, na oviana na oviana ny fotoana nisehoany, na toa inona na toa inona endriny sy zavatra nandraketana azy, novokarina na azo tamin’olon-tsotra na tsangan-drafitra sy avy amina sampandraharaha na orindraharaha (organisme) miankina amin’ny fanjakana na miahy tena, eo amin’ny fanatanterahana ny asany. ». Harentsaina an-tsoratra, an’angontsary, am-bava, an-drakitsary, ireo arsivan’i La Réunion dia tsy nitsaha-nitombo sy nihamaro karazana hatramin’ny fotoana nananganana ny sampandraharaha ny taona 1946.
Tanteraka tsara izany asa izany vokatry ny fandrotsahana tsy miato ataon’ny fitondran-draharaham-panjakana sy vokatry ny fidiran’ireo arsivan’olon-tsotra izay azo amin’ny endrika fanomezana, didim-pananana na fividianana, izany dia zary mampitombo harena ireo tahiry sy ireo andian’arsiva.
IREO ANGONA TAHIRY
Na nalamina araka ny tahiry sy araka ny sokajiny toy ireo rehetra any Frantsa aza ny Arsivan’i La Réunion, ny isa sy ny lohateniny ary ny vanimpotoana nivoahany, dia nankinina amin’ny fitondran-draharaha manokana izay nisy teo amin’ny nosy nandritra ny taonjato telo sy tapany teo amin’ny tantarany.
Sokajy tranainy (1667 – 1815)
Réparties en trois séries :
- C° (1667-1767)
- PR (1767-1790)
- L (1790-1815)
Ireo tahiry tranainy nokajiana ao La Réunion dia
avy amin’ireo fitondran-draharaha izay nifandimby tao
amin’ny nosy faha « Compagnie des
Indes » (1665 – 1767), nandritra ny
fitantanana mivantan’ny mpiandraiki-draharahan’ny
mpanjaka (1767 – 1790), tamin’ny
Revôlisiôna sy faha Amperora (1790 –
1810) ary farany nandritra ny dimy taona izay nifehezan’ny
Anglisy ny nosy (1810 – 1815)
Ireo antontan-taratasy ireo dia mampahafantatra antsika ny momba ny
fitondran-draharaha ankapobeny, ny fepetra mifehy ny fananan-tany, ny
varotra sy ny fanandevozana nandritra ny fanjanahana.
Sokajy môderna (1816 – 1947)
- K : Lalàna, didy hitsivolana, didim-panjakana (1789-1947)
-
- Sora-pitondrana foibe (1789 – 1947)
- Sora-pitondrana ifotony (1815 – 1947)
- Fitanana an-tsoratra sy antontan-taratasy avy amin’ireo filan-kevitry ny governemanta (1815 – 1947).
- M : Fitondran-draharaha ankapobeny sy toekaren’ny zanatany
- N : Fitondran-draharaha sy fitanan-kaontin’ny zanatany
- O : Fitondran-draharaha sy fitanan-kaonty kaominaly
- P : Raharaham-bolan’ny zanatany
- Q : Fananantany, fandraketana, zavatra natao antoka
- R : Raharaha mikasika ny miaramila sy zandarimaria
- S : Asa vaventy
- T : Fanabeazam-bahoaka
- U : Fitsarana
- V : Fivavahana
- X : Fanomezan-tanana sy fiahiana sosialy
- Y : Orindraharaha (établissements) misahana ny fonjan’ny zanatany
Arsiva ankehitriny (hatramin’ny 1947)
W : Hahitana ireo fandrotsahana arsivam-panjakana rehetra taorian’ny 1947
Tahiry fanampiny
- 3 E : Matoan-tsoratra sy arsiva nôtarialy (taonjato faha-XVII – XIX)
- 4 E : Rejisitra paroasialy sy filazam-piankohonana talohan’ny 1849
- E dépôt : Fametrahana ho tahiry: Arsiva kaominaly
- Fi : Tahirina angontsary
- J : Tahirinkevitra naiditra tamin’ny fomba manokana, fanomezana, fametrahana ho tahiry na novidiana
- Mi : Mikrôfilma
Tranomboky, gazety, rakikevitra mpiseho ara-potoana
Bib ; PB; GB ; GF : 8500 eo ho eo no isan’ireo boky, kiboky sy boky in-folio mikasika indrindra ny nosy La Réunion sy ny nosy Maurice, Madagasikara, Morontsiraka atsinanan’i Afrika sy Inde.
Rakikevitra mpiseho ara-potoana
PER : Gazety eo an-toerana, gazetin-tsehatra manokana, tanisadiresy, biletà monisipaly, paroasialy na ana fikambanana taorian’ny 1946, gazetim-panjakana sy angona sora-pitondran-draharaham-panjakana
FANDRAISANA NY BESINIMARO
Fampiasana ny efitra famakiam-boky
Ny Arsivan’ny Departemantan’ny La
Réunion dia azon’ny rehetra ampiasaina malalaka
ary tsy andoavam-bola ny fidirana.
Misokatra ho an’izay rehetra manam-paniriana ny hanao
fikarohana na hizaha tahirinkevitra ny efitra famakiana.
Ny fahazoan-miasa amin’ ireo tahirinkevitra efa lasa arsiva
anefa dia voafehin’ny lalàna. Vita peta-drindrina
ao amin’ny efitra famakiana ny fitsipi-pifehezana momba ny
fepetra fidirana, fampiasana, sy fizahana ireo tahirinkevitra.
Fe-potoana ahazoana mampiasa ny tahiry
Ny fizahana ny tahirinkevitra sasantsasany dia ferana araka
ireo fe-potoana fahazoana mampiasa azy.
Ireo arsivan’olona manokana dia manaraka izay fepetra
voafaritr’ireo nanolotra sy nametraka azy. Mikasika ny
fahazoana mampiasa ny arsivam-panjakana koa, dia misy ny fe-potoana
manokana.
Amin’ny fitsipika ankapobeny, ny arsiva mihoatra ny telopolo
taona dia azo ampiasaina malalaka, ny hafa dia tsy azo zahana raha tsy
aorian’ny fe-potoana :
- 50 taona aorian’ny nahafatesana na 25 taona aorian’ny nahaterahana ho an’ny tahirinkevitra mirakitra fahafantarana olona ka mahakasika ny fahasalamana ;
- 50 taona (fe-potoam-pahavelomana manokana) ho an’ireo antontan-taratasy momba ny mpiasa ;
- 75 taona ho an’ireo tahirinkevitra mifandraika amin’ny paika adim-pitsarana, rejisitry ny filazam-piankohonana (afa-tsy ny rejisitry ny filazam-pahafatesana izay azo ampiasaina avy hatrany), fanadihadiana ataon’ny INSEE ;
- 50 taona ho an’ireo antontan-taratasy mikasika ny fiainan’olo-manokana na mikasika ny filaminam-panjakana.
Azo ekena ny tsy fampiharan-dalàna noho ny antony manokana raha mahazo ny fankatoavan’ny Foibem-pitondran’ny Arsiva any Frantsa.
TOLOTRA AMIN’NY LAFINY KOLONTSAINA
Ny politika fanaovana fampirantiana
Hatramin’ny fisokafany tamin’ny Desambra
2002, ilay trano vaovao misy ny Arsivan’ny Departemanta dia
mandray ny sarambabenolona ary manolotra hetsika maro samihafa.
Avy amin’ny fananany toerana malalaka kokoa : efitra
fampirantiana iray, efitra pedagôjìka iray
mahazaka mpianatra 30 ary auditorium misy toerana 80, ny
sampandraharaha misahana ny fanabeazana dia afaka manome lanja
an’io toeran-tadidy sy fikajiana io izay matetika tena tsy
mbola fantatry ny olona, indrindra ny mpianatra, amin’ny
alalan’ny hetsika amin’ny lafiny kolontsaina, sy
fitsidihana ary fampirantiana.
Fampirantiana mitety toerana
Misy koa fampirantiana mitety toerana izay azon’ny toeram-pianarana sy sampandraharaham-panjakana eto amin’ny nosy La Réunion ampiasaina. Maimaimpoana ny findramana, izay iray volana raha betsaka ny faharetany. Ny fitaterana sy ny fananganana an’izany dia andraikitry ny mpindrana. Ankehitriny misy fampirantiana afa-mifindra toerana telo no atolotry ny sampandraharaha misahana ny fanabeazana :
« Saripika faha zanatany teto amin’ny Ranomasimbe Indiana, 1880 – 1910 »
Arsivan’ny Departemantan’ny La Réunion, 2003
« Nanomboka tamin’ny takalo … ka hatramin’ny euro, 350 taonan’ny tantaran’ny vola teto La Réunion »
Artis Facta, 2002
« Bourbon, ireo arsiva momba ny fanandevozana 1665 – 1848 »
Arsivan’ny Departemanta eto La Réunion . 1998

ADIRESY
Archives départementales de La Réunion
4 rue Marcel Pagnol
Champ-Fleuri
97490 Sainte-Clotilde
FIFANDRAISANA
T : 02 62 94 04 14
F : 02 62 94 04 21
www.cg974.fr
ORA FISOKAFANA
Misokatra ny Alatsinainy
hatramin’ny Zoma
Amin’ny 8 ora sy sasany hatramin’ny 4 ora sasany
FIDIRANA MAIMAIMPOANA
FITSIDIHANA ARAHA-PANAZAVANA
Tsy maintsy manao famandrihana mialoha eo amin’ny sampandraharaha misahana ny fanabeazana.