
Ny Museum momba ny Tantaran’ny Voahary
Mosea voalohany aty La Réunion
Ao amin’ny Zaridainam-panjakana, izay zaridaina fanazaran-tany zavamaniry, najoron’ny Compagnie des Indes, ny Museum momba ny Tantaran’ny Voahary dia mampiasa ny tranon’ny Lapan’ny Fahefana Mpanao Lalàna izay naorina ny 1834 mba hiasan’ny Filankevitra faha fanjanahantany (Conseil Colonial).
Io Filankevitra io dia niasa tao hatramin’ny 1848 ; lasa Filankevitra ankapobeny izy avy eo, ary nifindra tany amin’ny Hotel du Gouvernement, izay toerana misy ny Fileovana ankehitriny. Teo ambany fitarihan’ny Ben’ny Tanànan’i St Denis, Gustave Manès, ny Governora Hubert Delisle no nanapa-kevitra hampijoro ny Mozean’ny Tantaran’ny Voahary izay notokanana ny 14 Aogositra 1855.
Io no Mozea voalohany najoro teto La Réunion. Voasokajy manokana izy tamin’ny 1961 noho ireo angona tahiry manan-danja sy mahasoa ao aminy.
Ny Museum momba ny Tantaran’ny Voahary dia orindraha miankina amin’ny Ministeran’ny Fampianarana, ny Fikarohana sy ny Teknolojia.
Bikan-trano néo-klasika
Mizara telo ny vatan-trano ary ny lehibe indrindra dia naorina
tamin’ny 1834 ka hatramin’ny 1835. Notohizana ny
andaniny sy ny ankilany tamin’ny fiandohan’ny
taonjato faha roapolo. Ny tavan-trano ivelany manatrika ny
Allée du Jardin izay mifarana eo amin’ny Rue de
Paris, dia voahaingona vavahady goavana miendrika dorique, misy tampony
telozoro mipetraka eo ambonina andry efatra mafonja.
Ao anatiny, ilay efitra malalaka dia mifandray amin’ny rihana
iray amin’ny alalana lavarangan-dava mifanaraka
amin’ny fanao tamin’ny andron’ny
Napoléon III : miafara amina tohatra roa ary tohanana
tongotra vy miendrika tavy. Ity trano sivily tena tsara bika ity dia
tafiditra amin’ny ireo voafidy voalohany ho raketina ao
anatiny ny trano orimbato reuniône manan-tantara.
Ireo Asa telo iandraketan’ny Museum
- Asa eo amin’ny lafiny siantifika
-
- Fikajiana, fitantanana sy fampitomboana ireo angona tahiry avy eto amin’ny faritra sy manerana izao tontolo izao momba ny tantaran’ny voahary
- Fiarahamiasa eo amin’ny fikarohana siantifika momba ny sehatry ny voahary
- Fanomezan-tanana ny fanadihadiana siantifika sy teknika ho an’ireo Fahefam-panjakana, mikasika indrindra ireo lahasa fiarovana ny voahary sy fitandrovan-toerana.
- Asa eo amin’ny lafiny kolontsaina
-
- Fanapariahana, fampahalalana, fifanakalozana fahalalana siantifika ankehitriny. Miainga amin’ireo angona tahiry, fampahafantarana ny lova voajanahary eto amin’ny faritra sy manerana izao tontolo izao
- Asa eo amin’ny lafiny fanabeazana
-
- Fitarihana sy fanokafana ny vavahadin-tsaina amin’ny kolontsaina siantifika sy teknika amin’ny alalan’ny fampirantiana sy ny asa fanentanana
Ireo angona tahiry
Tamin’ny fotoana fanokafana ny Mozean’ny Tantaran’ny Voahary dia nahazo fanomezana avy amin’ny Museum misahana ny Tantaran’ny Voahary any Paris, izay nampitombo ny tahiry hatramin’ny faran’ny taonjato faha XIX, vokatr’ireo dia maro, fikarohana sy fanangonana nataon’ny ny mpikajy voalohany tao aminy, Auguste Lantz. Izany no nahatonga azy tany Madagasikara, tany Seychelles, sy tany amin’ireo Nosy Saint Paul sy Amsterdam. Nisy koa ny politikana fifanakalozana angona tahiry natao amin’ireo mozeam-pirenena fa eo koa ny natao tamin’ireo mozea any Pays-Bas (Leyden), na Australie, izay nahafahana nampahafantatra amin’ny mponin’i La Réunion ny biby maneran-tany.
Amin’izao fotoana izao ny Museum dia manohy ny fampitomboana ny angona tahiry ao aminy, izay ho lasa fanovozam-pahalalana momba ny faritra andrefan’ny Ranomasimbe Indianina.
Manoloana ny fiovana misy eo amin’ny voahary amin’izao fotoana izao, ny Museum momba ny Tantaran’ny Voahary dia tsy vitan’ny hoe mitahiry ny harena voajanahary fotsiny, fa lasa misalotra zara asa fototra: ny maha vavolombelona sy rakitadidin’ny fivoaran’ny biodiversite azy.
Ny fampirantiana maharitra ao amin’ny Museum dia natokana ho fampahalalan ireo biby eo amin’ireo nosy eto amin’ny faritra andrefan’ny Ranomasimbe Indianina
Noho ny fitokana-monina eo anivon’ny ranomasina, ireo nosy eo amin’ny faritra andrefan’ny Ranomasimbe Indianina dia ahitana karazam-biby izay lasa karazana andemika noho ny ela, tsy hita any amin’ny toeran-kafa mihitsy.
Satria izy dia sady be velarana no efa tranainibe, Madagasikara, izay niendaka avy tamin’ny kontinanta afrikana dia manankarembe amina zava maniry sy biby.
Ireo indray matetika no niandohana karazany betsaka miaina any ireo nosy manodidina
Ny fahatongavana zavaboahary tao amin’ireo nosy ireo dia mazàna noho ny tari-javatra tsy nahy nampiasa indrindra fomba fidirana roa :
- anabakabaka : entin’ny rivotra sy vorona izay mitondra zavamanaina maro ;
- an-dranomasina : fomban’ireny sokatra vaventy ireny mbamin’ny bibilava no milomano sy manara-drano. Ny vakivakin-javatra mitsikafona eny koa dia mety ho lasa zahatra ho ana zavamananaina maro.
Vokatr’izany dia nisy vondron-javamanaina miavaka tao anaty tontolo biôlôjika izay sady efa marefo no voakorotan’ny fahatongavan’ny olombelona izay niaraka tamin’ny kisoa, ny alika, sy ny voalavo.
Ambonin’izay, ny maha nosy dia nampivelatra tarehin-javatra sasantsasany mampiavaka :
- ny endrika bozeny (nanisme), izay hita matetika eo amin’ireo biby mampinono, toy ny lalomena bozen’i Madagasikara (efa lany tamingana) ;
- ny hahangezabe (gigantisme) hita amin’ireo vorona sy ireo biby mandady, toy ny Aepyornis tao Madagasikara (efa lany tamingana) izay voalaza mazàna ho vorona lehibe indrindra niaina teto ambonin’ny tany; eo koa ireo sokatra makadiry tao Maurice, Rodrigues, La Réunion, Seychelles (efa lany tamingana) sy Aldabra ;
- ny tsy fisiana elatra hanidinana (lasa nikaikona ny elatra),angamba noho ny tsy fisian’ny biby hafa mpihaza azy atahorany, ary noho ny fomba fiaina milamina tsy nitaky fanidinana. Izany no nihàtra tamin’ny Dodo tao Maurice, ny Solitaire tao Rodrigues sy ny Solitaire-Ibis teto La Reunion (samy efa lany tamingana ireo) ;
- ny fanasamihafana nanery hiova hatrany, dia zary niteraka karazan-javamananaina vaovao ;
- ny taham-pitomboana izay ambany, dia nampananosarotra ny fahafaha-miaina maharitra ho an’ireo karazana ireo, manoloana mpihaza vaovao tsy nampoizina ary tsy nisy teo aloha.
Ny fampirantiana tsy maharitra
Isan-taona ny Museum dia manatontosa fampirantiana miompana amina lohahevitra samihafa izay mampivohitra ny angona tahiry voakajy ao. Izany dia aseho ao amin’ilay efitra lehibe ao ambany rihana.
Ny Foibe misahana ny Tahirinkevitra siantifika
Azo zahana eo an-toerana :
- boky siantifika ankapobeny sy mikasika ny eo an-toerana ;
- bibliografía manan ny maha izy azy mikasika ny fanabeazana mifantoka amin’ny tontolo iainana ( boky ankapobeny sy pedagôzika) ;
- rakikevitra siantifika mpiseho ara-potoana, tahaka ny Pour la Science, La Recherche, Science et Avenir, Science et Vie, le Courrier de la Nature,…
ADIRESY
Muséum d'Histoire
Naturelle
1, rue Poivre
97400 Saint-Denis
FIFANDRAISANA
T : 02 62 20 02 19
F : 02 62 21 33 93
www.cg974.fr
ORA FIASANA :
9 ora sy sasany - 5 ora sy sasany
Talata hatra Alahady