Fanampiana

Pejy fidirana

Pejy fandraisana/Fidirana ao amin'ny habaka

Habaka idirana malalaka/ na ho an'ny mpampiasa voarakitra Ny mpampiasa voarakitra dia mahazo tombontsoa (fiarovana ny tahirinkevitra nofinidiny, famatrarana, fiverenana amin'ny efa nangatahina taloha.

Fidirana voamarina

Ampidiro ny famantarana anao sy ny teny alahidy hahafahanao mampiasa ny fitaovana rehetra misy ao amin'ny habaka. Raha tsy manana kaonty ianao dia afaka mangataka izany eo amin'ny toerana voatokana amin'ny pejy fandraisana. Fotoana fohy avy eo dia haharay fanamafasina avy amin'ireo mpitantana ianao.

Fomba telo no azo anaovana karoka

  • Karoka ankapobeny
  • karoka lalina
  • karoka ara-tetiarana

1-Karoka ankapobeny

Io karoka io dia mifandraika amin'ny karoka lahabolana feno mikasika ny filazana famaritana rehetra. Azo atao ny manao fikarohana miainga amina teny iray na maro ary mampiasa ny operatera fampitohizana SY, NA, AFA-TSY. Ny operatera misafidy avy hatrany dia ny SY.

Ohatra:

farihy sy tendrombohitra = farihy tendrombohitra

Raha io no karoka safidinao dia hipoitra avokoa ireo-tahirinkevitra mikasika ny "farihy" sy "tendrombohitra"

Azo atao koa ny manao karoka lalina kokoa amin'ny alalan'ny operatera fifampifandraisan-teny sy ny fampiasana fononteny

Ohatra:

tendrombohitra afa tsy (farihy na sapin)= tendrobohitra-(farihy na sapin)

Raha io no karoka safidinao dia hipoitra avokoa ireo sary misy ny teny "tendrombohitra", tsy misy ny teny" farihy" ary koa ny teny "tendrombohitra" tsy misy ny teny "sapin"

Tsy maintsy asiana elanelany eo amin'ny operatera sy ny teny karohina

Ny marika "¨" dia operatera fanafohizana izay afaka misolo tsipelina iray na maro ary hahafahana mahafantatra ny teny rehetra mitovy fototra. Noho izany, ny hataka "moto¨" dia manome sary mitondra ny teny "moto, motocross, motoneige, sns…Io fanafohizana io dia azo ampiasaina eo am-boalohany, eo anatiny na eo amin'ny faran'ny teny iray. Raha ampiasaina irery eo ampiandohan'ny fikarohana izy dia mivoaka manontolo avy hatrany ny sary rehetra sy média mikasika azy ato amin'ny Tranofiraketantsary.

2-Karoka lalina

Ny karoka lalina dia afahana miditra bebe kokoa amina faritra ifotony voatolotra.

Ireo hataka dia azo ankinina amina faritra samihafa atambatry ny operatera fifampifandraisan-teny

Mikasika ireo faritra mifandraika amin'ireo lisitry ny sanda, dia azo atao ny mampiasa ireo lisitry ny fanampiana na mitendry avy hatrany ao anaty faritra ireo masontsivana

Fanamarihana: ny karoka: ireo teny manome vokany ihany no atolotra ny mpampiasa. Ny operatera lojika voafidy mialoha (par défaut) dia ny "sy"

3-Karoka ara-tetiarana(arborescence)

Io dia karoka miendrika tetiarana . Azo atao tsara ny mitety ny teny tsirairay. Tsindry (clic) iray eo amin'ny teny iray fotsiny dia ampy andefasana ny karoka. Mety sady mifandray amina rihana (niveau) maro na zanadrihan' (sous-niveau) ny tetiarana ny tahirinkevitra iray.

Fampisehoana ny vokany

Format'ny fampisehoana

Telo samy hafa ny endriky ny fampisehoana

  • Mozaïka
  • Lisitra
  • Antsipiriany

Tsindry iray eo amin'ny sary no afahana manova ny endriky ny fampisehoana
Na inona na inona endriky ny fampisehoana, azo ampiasaina foana ny fomba fivezivezena.
Miseho eo ambonin'ny vokany ny isan'ireo vokany azo sy ny isan'ny pejy misy vokany. Ny fivezivezena ao anatin'ny ireo vokany dia azo atao isam-pejy na amin' ny alàlan'ny barre de défilement

Fidirana amin'ny filazana antsipiriany

Tsindry iray eo amin'ny sary, ambanin'ny vignette, no afahana miditra ao amin'ny fampisehoana antsipirihany
Miseho ny filazana mikasika ny tahirinkevitra : vaninandro, lohateny, fanazavana, copyright,teny votoaty, sns…
Miseho koa ny tahirinkevitra mifandray amin'io. Tsindry iray eo amin'ireo tahirinkevitra vaovao ireo dia mamoaka ny filazana antsimpiriany mikasika azy, Ny fitaovana famatrarana raikitra, fangatahana, famoronana harona sy famoahana printy dia azo ampiaingana avy amin'ny filazana antsipiriany.

Mitantana harona

Mamorona harona

Raha hamorona na hameno harona , tsindrio ny sary ambanin'ny tahirinkevitra tsirairay. Afaka mameno harona avy amin'ny vignette na ny filazana antsimpiriany

Mitahiry harona

Raha andrakitra harona vaovao tonga dia tsindrio ny sary ary ampidiro ny anaran'ny harona

Mahita indray harona voatahiry

Tsindrio " fitantanana harona"

Manampy tahirinkevitra an-karona

Raha hanampy tahirinkevitra ao an-karona efa misy, tonga dia tsindrina ny anaran-karona, Avy hatrany dia voarakitra ny fanavaozana,

Manafoana tahirinkevitra avy ao an-karona.

Raha hanala tahirinkevitra avy ao an-karona, tsindrina fotsiny ny sary, matetika tanambokovoko io.

Manafoana harona

Afaka manafoana harona iray na maro ianao raha manindry ny "FOANANA"

Mamatra tahirinkevitra

Araka ny zonao, afaka mamatra ianao avy amin'ny:

  • mozaïka ( sary eo ambany vignette)
  • filazana antsipiriany (sary ambany vignette, eo amin'ny barre de navigation)
  • harona
  • zoom (sary ambany zoom eo amin'ny barre de navigation)

Araky ny zonao dia tsy maintsy hatolotra anao ny karazana famatrarana azonao atao: (na tahirinkevitra ilay tena izy, na ambany, na salasala, na avo lenta ny définition).